Malagasy Bible

Genesisy 40:10-15 Malagasy Bible (MG1865)

10. ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.

11. Ary teny an-tanako ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka.

12. Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.

13. Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin'ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan'i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.

14. Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin'i Farao aho, ka avoahy amin'ity trano ity;

15. fa nangalarina mihitsy avy tany amin'ny tanin'ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin'ity lavaka ity aho,.