Malagasy Bible

Genesisy 32:28-32 Malagasy Bible (MG1865)

28. Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.

29. Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery.

30. Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.

31. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an'Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.

32. Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny. Izany no tsy ihinanan'ny Zanak'Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen'i Jakoba teo amin'ny ozatry ny atodiakanga Izy.