Malagasy Bible

Genesisy 31:5-18 Malagasy Bible (MG1865)

5. ka nanao taminy hoe: Hitako ny tarehin'ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy.

6. Ary fantatrareo fa tamin'ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.

7. Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy navelan'Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.

8. Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman'osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman'osy rehetra.

9. Dia nalain'Andriamanitra ny fananan'ny rainareo ka nomeny ahy.

10. Ary rehefa mby amin'ny andro izay nikambanan'ny ondry aman'osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin'ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin'ny ondrivavy sy ny osivavy.

11. Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra ta­miko tamin'ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty aho.

12. Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin'ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon'i Labana taminao.

13. Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao.

14. Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon'ny rainay?

15. Tsy natao­ny toy ny vahiny va izahay? Fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra.

16. Fa ny harena rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay, dia anay sy an'ny zanakay izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminao dia ataovy.

17. Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny;

18. dia ni­tondra ny ombiny sy ny ondry aman'osiny rehetra izy, mbamin'ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman'ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana.