Malagasy Bible

Genesisy 29:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana.

2. Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman'osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman'osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana.

3. Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany.

4. Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.

5. Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.

6. Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman'osy.

7. Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman'ondry; ampisotroy ny ondry aman'osy, dia andeha, andraso.

8. Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay.

9. Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman'osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.

10. Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman'osin'i Labana anadahin-dreniny izy.

11. Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.

12. Dia nambaran'i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.

13. Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany.

14. Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,