Malagasy Bible

Genesisy 28:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. ary homeny anao anie ny fitahiana an'i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.

5. Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin'i Labana, zanak'i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin'i Jakoba sy Esao.

6. Ary nony hitan'i Esao fa Isaka efa nitso-drano an'i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao;

7. koa Jakoba efa nanaraka ny tenin'ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;

8. ary hitan'i Esao fa efa ratsy teo imason'Isaka rainy ny zanakavavin'ny Kananita:

9. dia lasa Esao nankany amin'Isimaela ka naka an'i Mahalota, zanakavavin'Isimaela, zanak'i Abrahama, sady anabavin'i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin'ny vady izay nananany.

10. Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.

11. Ary tonga teo amin'ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin'izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.