Malagasy Bible

Genesisy 18:18-28 Malagasy Bible (MG1865)

18. Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.

19. Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny lalàn'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy.

20. Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan'i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra;

21. hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.

22. Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'i Jehovah.

23. Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina?

24. Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?

25. Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?

26. Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny.

27. Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:

28. Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao.