Malagasy Bible

Genesisy 16:8-14 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho.

9. Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao.

10. Ary hoy koa Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany.

11. Ary hoy indray Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.

12. Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy.

13. Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana?

14. Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy Bareda izany.