Malagasy Bible

Genesisy 12:11-20 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin'i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao,

12. ka, raha hitan'ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.

13. Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.

14. Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan'ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.

15. Ary nahita azy ny tandapan'i Farao ka nidera azy tamin'i Farao; dia nentina tao an-tranon'i Farao izy.

16. Ary Abrama nasian'i Farao soa noho ny amin'i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.

17. Dia nasian'i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin'i Saray, vadin'i Abrama.

18. Ary Farao dia nampaka an'i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?

19. Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.

20. Dia nomen'i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra ireo.