Malagasy Bible

Genesisy 11:7-16 Malagasy Bible (MG1865)

7. Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.

8. Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanĂ na intsony izy.

9. Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.

10. Izao no taranak'i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an'i Arpaksada izy roa taona taorian'ny safo-drano.

11. Ary ny andro niainan'i Sema taorian'ny niterahany an'i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

12. Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan'i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela izy.

13. Ary ny andro niainan'i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

14. Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Sela, dia niteraka an'i Ebera izy.

15. Ary ny andro niainan'i Sela taorian'ny niterahany an'i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.

16. Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan'i Ebera, dia niteraka an'i Palega izy.