Malagasy Bible

Galatiana 6:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.

2. MifampitondrĂ  izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalĂ n'i Kristy.

3. Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.

4. Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa;

5. fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.