Malagasy Bible

Galatiana 2:8-15 Malagasy Bible (MG1865)

8. (fa Izay niasa ho an'i Petera hah'Apostoly azy ho an'ny voafora no niasa ho ahy koa ho an'ny jentilisa),

9. ary nony fantatr'i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana ankavanan'ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin'ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin'ny voafora.

10. Izao ihany no tiany, dia ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany.

11. Ary nony tonga tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy.

12. Fa fony tsy mbola tonga ny sasany any tany amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy.

13. Ary ny Jiosy sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan'ny fihatsaram-belatsihiny koa.

14. Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan'ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin'i Kefasy teo anatrehan'ny olona rehetra : Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon'ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon'ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon'ny Jiosy?

15. Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny jentilisa,