Malagasy Bible

Ezra 4:13-18 Malagasy Bible (MG1865)

13. Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an'ny fanjakana izany any aoriana.

14. Koa satria mahazo ny fivelomanay avy amin'ny lapan'ny mpanjaka izahay, dia tsy mety raha odianay tsy hita ny fatiantoky ny fanjakana, ka dia efa naniraka hampahafantatra ny mpanjaka izany izahay,

15. mba hizahana ny boky tantaran'ny razanao; dia ho hitanao eo amin'ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.

16. Ary mampahafantatra ny mpanjaka izahay fa raha hamboarina io tanàna io, ka vita ny mandany, dia tsy hanana fanjakana amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ intsony ianao.

17. Dia nampitondrain'ny mpanjaka ny valiny ho any amin-dRehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra mbamin'ny namany sisa izay nonina tany Samaria sy tany amin'ny tanàna sasany an-dafin'ny ony, nanao hoe: Fiadanana .....

18. Ny taratasy izay nampitondrainareo ho atỳ aminay dia efa voavaky tsara teo anatrehako;