Malagasy Bible

Ezra 4:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nony ren'ny fahavalon'ny Joda sy ny Benjamina fa ireo efa nody avy tamin'ny fahababoana dia efa manao tempoly ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,

2. dia nanatona an'i Zerobabela sy ny lohan'ny fianakaviana izy ka nanao taminy hoe: Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa mitady an'Andriamanitrareo tahaka anareo ihany koa izahay, ary ho Azy no namonoanay zavatra hatao fanatitra hatramin'ny andron'i Esara-hadona, mpanjakan'i Asyria, izay efa nampakatra anay ho atỳ.

3. Fa Zerobabela sy Jesoa mbamin'ny namany lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely namaly azy hoe: Tsy misy raharaha hikambananareo aminay amin'ny hanaovana trano ho an'Andriamanitray; fa izahay ihany no hanao trano ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, araka izay efa nandidian'itompokolahy Kyrosy, mpanjakan'i Persia, anay.

4. Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano

5. sady nanamby olona hanome hevitra hanohitra azy hahafoana ny heviny hatramin'ny andro nanjakan'i Kyrosy tany Persia ka hatramin'ny nanjakan'i Dariosy, mpanjakan'i Persia.

6. Ary raha vao nanjaka Ahasoerosy, dia nanoratra ho any aminy ireo hanendrikendrika ny mponina tany Joda sy Jerosalema.

7. Ary tamin'ny andron'i Artaksersesy no nanoratan'i Bislama sy Mitredata sy Tabela mbamin'ny namany sisa ho any amin'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia; ary ny soratra tamin'ny taratasy dia nataony tarehin-tsoratra Syriana sady nataony teny Syriana koa.

8. Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra dia nanoratra taratasy ho any amin'i Artaksersesy mpanjaka hanendrikendrika an'i Jerosalema toy izao:

9. Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaita, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaita, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,

10. mbamin'ny firenena sisa izay nentin'i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin'ny tany sasany etỳ an-dafin'ny ony etỳ...