Malagasy Bible

Ezekiela 41:6-11 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin'ny rindrin-trano izay ho an'ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin'ny rindrin'ny trano.

7. Ary ny sakan'ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon'ny ambony amin'ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon'ny an-tenatenany amin'ny ambany.

8. Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan'ny paosin-trano, dia eran'ilay volotara hatramin'ny ifanohizany.

9. Ny hatevin'ny rindrina ivelany amin'ny paosin-trano dia dimy hakiho; ary hoatra izany koa ilay sisa navela manolotra ny paosin-trano.

10. Ary ny teo anelanelan'ny efi-trano dia roa-polo hakiho manodidina ny trano na aiza na aiza.

11. Ary ny varavaran'ny paosin-trano dia mankao amin'ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan'ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina.