Malagasy Bible

Ezekiela 41:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin'ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan'ny varavarana fito hakiho.

4. Dia norefesiny ny lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan'ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masina indrindra.

5. Ary samy norefesiny manodidina, ka ny hatevin'ny rindrin'ny trano dia enina hakiho, ary ny sakan'ny paosin-trano dia efatra hakiho.

6. Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin'ny rindrin-trano izay ho an'ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin'ny rindrin'ny trano.

7. Ary ny sakan'ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon'ny ambony amin'ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon'ny an-tenatenany amin'ny ambany.

8. Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan'ny paosin-trano, dia eran'ilay volotara hatramin'ny ifanohizany.