Malagasy Bible

Ezekiela 41:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nentiny ho ao amin'ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin'ny lafiny iray; sakan'ny trano-lay izany.

2. Ary ny sakan'ny varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin'ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany, ka efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.

3. Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin'ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan'ny varavarana fito hakiho.