Malagasy Bible

Ezekiela 29:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin'ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin'ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.

6. dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an'ny taranak'Isiraely izy.

7. (Nony mandray anao amin'ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik'izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan'izy rehetra.)

8. Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.

9. Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy,