Malagasy Bible

Ezekiela 25:12-17 Malagasy Bible (MG1865)

12. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny namelezan'i Edoma ny taranak'i Joda tamin'ny namaliany azy ary ny nanotany indrindra sy ny namaliany azy,

13. Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hahinjitro amin'i Edoma ny tanako, ka haringako ny olona sy ny biby ao aminy; Ary hataoko lao hatrany Temana izy sy ho lavon'ny sabatra hatrany Dedana.

14. Ary ny tanan'ny Isiraely oloko no ho entiko mamaly an'i Edoma, ka hanao aminy araka ny fahatezerako sy ny fahavinirako ireo; Ka dia ho fantany ny famaliako, hoy Jehovah Tompo.

15. Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny famaliana nataon'ny Filistina, eny, noho ny namaliany ratsy tamin'ny nanaovany tsinontsinona azy, ka nandringana noho ny fandrafiany hatry ny fony ela,

16. Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahinjitro amin'ny Filisitna ny tanako, ka haringako ny keretita, ary horavako izay sisa any amoron-dranomasina;

17. Ary famaizana mirehitra no ho entiko manao famaliana lehibe aminy; ka dia ho fantatra-fa Izaho no Jehovah, rehefa hataoko mihatra aminy ny famaliako.