Malagasy Bible

Ezekiela 25:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Ry zanak'olona, manandrifia ny Amonita, ary maminania ny hamelezana azy,

3. ka ataovy aminy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Noho ny nanaovanao hoe: HiĆ ! sakoa izay! raha nolotoina ny fitoerako masina, Ary noravana ny tanin'ny Isiraely, Sady lasan-ko babo ny taranak'i Joda,

4. Dia indro kosa, hatolotro ho fananan'ny zanaky ny atsinanana ianao, Ka haoriny ao aminao ny tobiny, ary hataony ao aminao ny fonenany; Ireny no hihinana ny vokatrao sy hisotro ny ronononao.

5. Ary Raba dia hataoko tany fitoeran'ny rameva, ary ny taranak'i Amona ho tany fandrian'ny ondry aman'osy; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

6. Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nitehafanao tanana sy ny nitotoanao tamin'ny tongotrao ary ny nifalian'ny fonao tamin'ny fanaovana tsinontsinona ny tanin'ny Isiraely,