Malagasy Bible

Ezekiela 23:5-19 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin'ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,

6. izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.

7. Nijangajanga tamin'ireny izy, dia tamin'izay tsara indrindra tamin'ny zanakalahin'i Asyria sy tamin'izay rehetra nahamaimay azy; tamin'ny sampiny rehetra no nandotoany tena.

8. Ary ny fijangajangana izay fanaony hatrany Egypta dia tsy foiny; fa fony izy mbola tanora dia nandrian'ireny, ary ireny no nitsapatsapa ny tratran'ny fahavirijinany sady nanaram-po nijangajanga taminy.

9. Ary noho izany dia natolotro ho eo an-tànan'ireo lehilahiny izy, dia eo an-tànan'ny Asyriana izay nahamaimay azy.

10. Ireny no nampiseho ny fitanjahany; ny zananilahy sy ny zananivavy dia lasan'ireny, ary ny tenany novonoiny tamin'ny sabatra, ka dia tonga ambentinteny tamin'ny vehivavy izy ary efa niharan'ny fitsarana.

11. Ary nony hitan'i Oholiba rahavaviny izany, dia vao mainka nataony manoatra noho ny azy indray ny fahamaimaizany, ary ny fijangajangany manoatra noho ny an'ny rahavaviny,

12. Maimay tamin'ny Asyriana mifanolotra aminy izy, dia ny governora sy ny lefiny, olona mareva-pitafiana sady mpitaingin-tsoavaly, samy tovolahy bikàna izy rehetra.

13. Dia hitako fa efa nandoto ny tenany izy, fa lalana iray ihany no nalehan'izy mirahavavy;

14. ary mbola nampandrosoiny ihany ny fijangajangany, fa nahita sariolona voasoratra teo amin'ny rindrina izy sy ny sarin'ny Kaldeana voasoratra tamin'ny loko mena.

15. samy nisy fehin-kibo nifehy teo am-balahany sy hamama voanato nisy rambony teo an-dohany; ny fijery azy rehetra dia toy ny fijery zanak'andriana, dia tahaka ny zanakalahin'i Babylona, izay teraka tany amin'ny tany Kaldea.

16. Ary raha vao hitan'ny masony ireny, dia maimay taminy izy ka naniraka olona ho any aminy tany Kaldea.

17. Ary tonga tany aminy ho ao amin'ny fandriam-pitiavana ireny zanakalahin'i Babylona ka nandoto azy tamin'ny fijangajangany; ary nony efa voaloton'ireny izy, dia niombotra niala taminy kosa ny fanahiny.

18. Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan'ny fanahiko niala tamin'ny rahavaviny ihany.

19. Dia nampitombo ny fijangajangany ihany izy, ka dia nahatsiaro ny andro fahatanorany, izay nijangajangany tany amin'ny tany Egypta.