Malagasy Bible

Ezekiela 23:47-49 Malagasy Bible (MG1865)

47. Ary ireo olona maro ireo dia hitora-bato azy sy hitetitetika azy amin'ny sabatra; hovonoiny ny zananilahy sy ny zananivavy, ary hodorany amin'ny afo koa ny tranony.

48. Toy izany no hampitsaharako ny fahavetavetana amin'ny tany, mba hahazo anatra ny vehivavy rehetra tsy hanao araka ny fahavetavetanareo.

49. Ary hatsingeriny aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.