Malagasy Bible

Ezekiela 23:36-42 Malagasy Bible (MG1865)

36. Jehovah niteny tamiko hoe: Ry zanak'olona, tsy hotsarainao va Ohola sy Oholiba? Dia asehoy azy ny fahavetavetany,

37. fa efa nijangajanga izy, sady misy rà eny an-tànany, eny, ny sampiny no nijangajangany, ary ny zananilahy naterany ho Ahy dia nampamakiny ny afo ho an'ireny mba ho levona.

38. Izao koa no nataony tamiko: Nandoto ny fitoerako masina izy tamin'izany andro izany sady nandoto ny Sabatako koa.

39. Ary nony efa novonoiny ho an'ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin'iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny; koa, he! izany no nataony teo anatin'ny tranoko.

40. Ary koa, naniraka ho any amin'ny olona avy lavitra ianao; eny, nanirahanao ireo, ka, indreo, tonga izay efa nandroanao sy nanosoranao loko mainty ny masonao sy niravahanao.

41. ary nipetrahanao tamin'ny farafara marevaka, sady nisy latabatra voavelatra teo anoloany, izay nametrahanao ny ditin-kazo manitro sy ny diloiloko.

42. Ary teo aminy nisy ny feon'ny maro izay mipetraka tsy manana ahiahy, ary afa-tsy ny ankabiazam-bahoaka dia nisy mpiboboka nentina avy tany an-efitra; ary nasian'ireo haba teny an-tànan'izy mirahavavy sy satro-boninahitra tsara tarehy teny an-dohany.