Malagasy Bible

Ezekiela 23:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Ry zanak'olona, nisy vehivavy mirahavavy iray tam-po;

3. ary nijangajanga tany Egypta izy; fony izy mbola tanora no nijangajanga; tao no nisafosafoana ny tratrany, ary tao no nitsapatsapana ny nonon'ny fahavirijinany.

4. Ny anaran'ny zokiny dia Ohola, ary ny rahavaviny dia Oholiba; ary novadiko izy ka niteraka zazalahy sy zazavavy. Ny amin'ny anarany: Samaria no Ohola, ary Jerosalema no Oholiba.

5. Ary raha mbola vadiko Ohola, dia nijangajanga izy; maimay izy tamin'ireo lehilahiny, dia ny Asyriana mifanolotra aminy,

6. izay mitafy mangamanga, dia ny governora sy ny lefiny, tovolahy bikàna izy rehetra sady mpitaingin-tsoavaly.