Malagasy Bible

Ezekiela 2:5-9 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy.

6. Ary ianao, ry zanak'olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin'ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.

7. Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.

8. Fa ianao kosa, ry zanak'olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao.

9. Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.