Malagasy Bible

Ezekiela 16:19-28 Malagasy Bible (MG1865)

19. Ary ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan'ireo ho hanitra ankasitrahana; teo tokoa izany, hoy Jehovah Tompo.

20. Ary nentinao ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an'ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany?

21. Ary novonoinao ny zanakao, fa natolotrao ka nampandehaninao namaky ny afo ho an'ireo.

22. Ary tamin'ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro fahakelezanao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin'ny rĂ nao.

23. Ary rehefa vitanao izany faharatsianao rehetra izany (lozanao! lozanao! hoy Jehovah Tompo),

24. dia nanao trano fijangajangana ho anao ianao sady nanao fitoerana avo ho anao teny an-kalalahana rehetra teny.

25. Ary teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin'ny mpandalo rehetra ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.

26. Hianao efa nijangajanga tamin'ny zanak'i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.

27. Ary, indro, nahinjitro taminao ny tanako. ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho amin'ny sitrapon'izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin'ny Filistina, izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.

28. Ary nijangajanga tamin'ny zanak'i Asyria koa ianao noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany.