Malagasy Bible

Ezekiela 11:18-25 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.

19. Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,

20. mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.

21. Fa ny amin'izay manana fo manina ny zava-dratsiny sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony, hoy Jehovah Tompo.

22. Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.

23. Ary ny voninahitr'i Jehovah niakatra niala tao amin'ny tanàna ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra atsinanan'ny tanàna.

24. Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin'ny fahitana, dia tamin'ny Fanahin'Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin'ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.

25. Ary nolazaiko tamin'ny babo ny teny rehetra izay nasehon'i Jehovah ahy.