Malagasy Bible

Apokalypsy 9:18-21 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka ary tamin'ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon'ny olona.

19. Fa ny herin'ny soavaly dia eo amin'ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory.

20. Nefa ny olona sisa, izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin'ny asan'ny tànany, mba tsy hivavaka amin'ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;

21. ary tsy nibebaka tamin'ny namonoany olona izy, na tamin'ny nanaovany ody ratsy, na tamin'ny fijangajangany, na tamin'ny halatra nataony koa.