Malagasy Bible

Apokalypsy 5:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.

2. Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?

3. Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.

4. Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.