Malagasy Bible

Apokalypsy 4:1-8 Malagasy Bible (MG1865)

1. Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an'ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.

2. Ary niaraka tamin'izay dia voatsindrin'ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.

3. Ary ny tarehin'ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin'emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.

4. Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin'ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena.

5. Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin'ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton'Andriamanitra ireo.

6. Ary teo anoloan'ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan'ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan'aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.

7. Ary ny zava-manan'aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan'aina faharoa dia tahaka ny zanak'omby, ary ny zava-manan'aina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan'olona, ary ny zava-manan'aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.

8. Ary ny zava-manan'aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman'alina izy manao hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.