Malagasy Bible

Apokalypsy 21:23-27 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ary ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr'Andriamanitra no nanazava ary, ary ny Zanak'ondry no fanazavana azy.

24. Ary ny firenena maro no handeha amin'ny fahazavany; ary ny mpanjakan'ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny.

25. Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin'ny andro (fa tsy mba hisy alina ao).

26. Ary ny voninahitra sy ny hajan'ny firenena maro dia ho entina ao anatiny.

27. Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany.