Malagasy Bible

Apokalypsy 21:22-26 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary tsy nahita tempoly teo aho; fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha, sy ny Zanak'ondry no tempoliny.

23. Ary ny tanĂ na tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra aminy; fa ny voninahitr'Andriamanitra no nanazava ary, ary ny Zanak'ondry no fanazavana azy.

24. Ary ny firenena maro no handeha amin'ny fahazavany; ary ny mpanjakan'ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny.

25. Ary ny vavahadiny tsy harindrina akory amin'ny andro (fa tsy mba hisy alina ao).

26. Ary ny voninahitra sy ny hajan'ny firenena maro dia ho entina ao anatiny.