Malagasy Bible

Apokalypsy 2:23-29 Malagasy Bible (MG1865)

23. Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.

24. Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe "sain-dalin'i Satana", dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo;

25. kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.

26. Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa;

27. ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko.

28. Ary homeko azy ny kintana fitarika andro.

29. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.