Malagasy Bible

Apokalypsy 18:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Rehefa afaka izany, dia hitako fa indro, nisy anjely izay koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny.

2. Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren'ny fanahy maloto rehetra ary akanin'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.

3. Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan'ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena.

4. Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: MialĂ  aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.