Malagasy Bible

Apokalypsy 16:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.

2. Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny.

3. Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody rĂ  tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao aminy.