Malagasy Bible

2 Tantara 7:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary rehefa vita izany vavak'i Solomona izany, dia nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drĂ , ka feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.

2. Ary ny mpisorona tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah, satria feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranony.

3. Ary nony hitan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny nilatsahan'ny afo sy ny voninahitr'i Jehovah teo ambonin'ny trano, dia niankohoka tamin'ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an'i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.

4. Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia namono zavatra hatao fanatitra teo anatrehan'i Jehovah.

5. Ary Solomona mpanjaka namono zavatra hatao fanatitra, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman'osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon'Andriamanitra.