Malagasy Bible

2 Tantara 5:1-2 Malagasy Bible (MG1865)

1. Toy izany no nahavitana ny asa rehetra nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra rehetra izay efa nohamasinin'i Davida rainy dia ny volafotsy sy ny volamena; ary ny fanaka rehetra dia nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra.

2. Ary tamin'izany dia novorin'i Solomona ny loholon'ny Isiraely sy ny lehiben'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakavian'ny Zanak'isiraely ho any Jerosalema hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy any Ziona, TanĂ nan'i Davida.