Malagasy Bible

2 Tantara 36:17-21 Malagasy Bible (MG1865)

17. Koa nentiny namely azy ny mpanjakan'ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin'ny sabatra tao an-trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.

18. Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon'Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.

19. Dia nodorany koa ny tranon'Andriamanitra, ary noravany ny mandan'i Jerosalema; ny lapan'andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin'ny afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao nosimbany.

20. Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentiny ho babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan'ny mpanjakan'i Persia,

21. hanatanterahana ny tenin'i Jehovah nampilaza.na an'i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin'ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.