Malagasy Bible

2 Tantara 36:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny vahoaka naka an'i Joahaza, zanak'i Josia, ka nampanjaka azy tany Jerosalema handimby an-drainy.

2. Telo amby roa-polo taona loahaza, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema.

3. Ary nesorin'ny mpanjakan'i Egypta tany Jerosalema izy, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.

4. Ary ny mpanjakan'i Egypta nampanjaka an'i Eliakima, rahalahin'i Joahaza, tamin'ny Joda sy Jerosalema, ary ny anarany dia novany hoe Joiakima; ary Joahaza rahalahiny kosa dia nalainy ka nentiny ho any Egypta.

5. Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny izy.

6. Ary Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia niakatra namely azy ka namatotra azy tamin'ny gadra varahina mba hitondra azy ho any Babylona.

7. Ary ny fanaka sasany tao an-tranon'i Jehovah dia nentin'i Nebokadnezara ho any Babylona koa ka nataony tao amin'ny tempoliny tany Babylona.

8. Ary ny tantaran'i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin'izay toetoeny rehetra, dia, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany; ary Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.

9. Valo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.