Malagasy Bible

2 Tantara 34:12-17 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary ny olona dia nanao ny asa araka izay mety hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia lahata sy Obadia Levita, avy tamin'ny taranak'i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy tamin'ny taranaky ny Kehatita, ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno isan-karazany,

13. dia ireo no tonian'ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin'ny tao-zavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin'ny Levita koa nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.

14. Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin'ny lalàn'i Jehovah, ilay nampilazaina an'i Mosesy.

15. Ary niteny Hilkia ka nanao tamin'i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky.

16. Ary Safana nitondra ny boky ho any amin'ny mpanjaka sady nilaza taminy hoe: Izay rehetra nasaina nataon'ny mpanomponao dia nataony avokoa.

17. Ary narotsany ny vola izay azo tao an-tranon'i Jehovah ka natolony teo an-tànan'ny olona voatendry sy teo an-tànan'ny mpiasa.