Malagasy Bible

2 Tantara 17:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Josafata, zanak'i Asa, no nanjaka nandimby azy, ary nitombo hery hiaro tena tamin'ny Isiraely izy.

2. Ary namponina miaramila tamin'ny tanàna mimanda rehetra eran'i Joda izy sady nametraka miaramila tany amin'ny tany Joda sy tany amin'izay tanànan'ny Efraima efa azon'i Asa rainy.

3. Ary Jehovah nomba an'i Josafata, satria nandeha tamin'ny nalehan'i Davida rainy izy, dia ilay tamin'ny voalohany, fa tsy mba nitady ireo Bala;

4. fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon'ny Isiraely.