Malagasy Bible

2 Tantara 16:7-11 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin'ny mpanjakan'i Syria fa tsy niankina tamin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan'ny mpanjakan'i Syria.

8. Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin'i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo.

9. Fa ny mason'i Jehovah mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin'izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin'izao.

10. Dia tezitra tamin'ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin'i Asa tamin'izay.

11. Ary, indro, ny tantaran'i Asa, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny Isiraely.