Malagasy Bible

2 Tantara 11:18-23 Malagasy Bible (MG1865)

18. Ary Rehoboama naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy Abihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'i Jese, ho vadiny,

19. izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama.

20. Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin'i Absaloma, izay niteraka an'i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy.

21. Ary Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).

22. Ary Abia, zanakalahin'Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina.

23. Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin'ny tanĂ na mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.