Malagasy Bible

2 Korintiana 3:3-9 Malagasy Bible (MG1865)

3. eny, aseho ho epistilin'i Kristy izay entinay ianareo, tsy nosoratana tamin'ny ranomainty anefa, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona, tsy teo amin'izay tena vato fisaka, fa teo amin'izay vato fisaka nofo, dia ny fo.

4. Ary manana izany fahatokiana izany ny amin'Andriamanitra izahay amin'ny alalan'i Kristy.

5. Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin'inona na amin'inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin'Andriamanitra,

6. Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona.

7. Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin'ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak'Isiraely tsy nahabanjina ny tavan'i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona,

8. tsy mainka hisy voninahitra ny fanompoana omban'ny Fanahy?

9. Fa raha nisy voninahitra ny fanompoana nitondra ny fanamelohana, mainka hanan-tombom-boninahitra ny fanompoana mitondra ny fahamarinana.