Malagasy Bible

2 Korintiana 3:15-18 Malagasy Bible (MG1865)

15. Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin'i Mosesy.

16. Kanefa raha miverina amin'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana.

17. Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.

18. Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.