Malagasy Bible

2 Korintiana 3:10-14 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary izay nisy voninahitra aza dia tsy manana voninahitra kosa amin'izao noho ny voninahitra izay manan-tombo.

11. Fa raha ny nilevona aza nisy voninahitra, mainka fa ny mitoetra no misy voninahitra.

12. Koa amin'izany, satria manana izany fanantenana izany izahay, dia sahy tokoa,

13. ary tsy tahaka an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan'ny Zanak'Isiraely ny faran'izay nihalevona;

14. fa efa donto ny sainy; fa ambaraka androany dia mbola tsy nesorina ihany izany fisalobonana izany, raha vakina ny tenin'ny fanekena taloha, satria ao amin'i Kristy ihany no anesorana izany.