Malagasy Bible

2 Korintiana 2:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa ninia toy izao tato am-poko aho, dia ny tsy hankatỳ aminareo indray amin'alahelo.

2. Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?

3. Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin'izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.

4. Fa tamin'ny haben'ny fahoriana sy ny alahelon'ny foko no nanoratako taminareo tamin'ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra.

5. Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.