Malagasy Bible

2 Korintiana 12:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Tsy maintsy mirehareha aho, na dia tsy mahasoa aza izany; fa handroso hilaza fahitana sy fanambaran'ny Tompo aho.

2. Mahalala olona anankiray ao amin'i Kristy aho, tokony ho efatra ambin'ny folo taona lasa izay - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala - ilay anankiray dia nakarina ho any amin'ny lanitra fahatelo.

3. Ary mahalala ilay olona anankiray aho - na tao amin'ny tena, na tsy tao amin'ny tena, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala -

4. fa nakarina ho any Paradisa izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona.

5. Ilay anankiray no hataoko rehareha; fa ny amin'ny tenako dia tsy hirehareha aho afa-tsy amin'ny fahalemena ihany.

6. Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko.

7. Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny nofo, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.

8. Izany no nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko.

9. Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.

10. Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.