Malagasy Bible

2 Korintiana 10:13-18 Malagasy Bible (MG1865)

13. Fa izahay tsy mba hirehareha tsy amin'ohatra, fa araka ny ohatry ny voafaritr'Andriamanitra ho anjaranay, dia ohatra mihatra aminareo.

14. Fa tsy toy izay tsy mihatra aminareo izahay ka mihoatra ny faritry ny anjaranay; fa tonga hatrany aminareo aza izahay amin'ny filazantsaran'i Kristy;

15. tsy mirehareha tsy amin'ohatra amin'izay nisasaran'ny sasany izahay, fa manana fanantenana izahay fa rehefa mitombo ny finoanareo, dia hohalehibiazina ao aminareo izahay araka ny voafaritra ho anjarany, sady mbola handroso ihany

16. ka hitory ny filazantsara amin'ny tany any ankoatranareo, ary tsy hirehareha amin'izay efa vonona rahateo ao anatin'ny voafaritra ho an'ny sasany.

17. Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9, 23)

18. Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.