Malagasy Bible

2 Korintiana 10:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny hamoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.

2. Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo.

3. Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo

4. (fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy);