Malagasy Bible

1 Mpanjaka 17:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Elia Tisbita, isan'ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin'i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin'izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.

2. Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy nanao hoe:

3. MialĂ  eto ianao, dia miantsinanĂ na ka miere any anilan'ny renirano Kerita, izay any atsinanan'i Jordana.

4. Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any.

5. Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin'i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan'ny renirano Kerita any atsinanan'i Jordana.

6. Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin'ny renirano no nisotroany.

7. Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian'ny ranonorana tamin'ny tany.